Hianatra

Hevitra anio


Toko 1, Hafatra 56

24 Feb 2025

R’ilay Bitikako, Fifaliana lehibe ho Ahy ny mamihina anao eo amin’ny Foko. Raisiko ho aty amiko avokoa izay mavesatra loatra ho anao, tahaka : ny harerahanao, ireo adi-tsainao, ireo tebitebinao, ireo ahiahinao sy ireo tsy fahalavorarianao fahiny. Tsoahiko eo aminao daholo izany enta-mavesatrao rehetra izany, izay manakana anao tsy ho Ahy tanteraka. Fenoiko ny Fitiavako, ny Fifaliako sy ny Fiadanako ny toerana nialan’ireo.

image